Bokin'i Jeremia

Toko faha-42

1 Tamin'izay, nanatona an'i Jeremia avokoa ny mpifehy miaramila rehetra mbamin'i Johanana, zanak'i Kare, Jezoniasa, zanak'i Osaiasa, ary ny vahoaka rehetra na kely na lehibe,

2 ka nanao taminy hoe: Aoka ho tonga eo anatrehanao anie izao fihantanay izao; mivavaha amin'ny Tompo Andriamanitrao, ho an'izao sisa rehetra izao, fa maro izahay taloha, nefa efa tonga vitsy sisa araka izao hitan'ny masonao izao. 3 Aoka hambaran'ny Tompo Andriamanitrao aminay, izay làlana tokony hizoranay, sy izay zavatra tokony hataonay. 4 Ary hoy Jeremia mpaminany, namaly azy ireo: Dia reko izany; ka indro aho, hivavaka amin'ny Tompo Andriamanitrareo araka ny teninareo; ary hambarako aminareo avokoa, fa tsy misy hanafenako izay havalin'ny Tompo anareo. 5 Dia hoy izy ireo tamin'i Jeremia: Aoka Iaveh no ho vavolombelona marina sy mahatoky miampanga anay, raha tsy manatanteraka ny zavatra rehetra araka ny tenin'ny Tompo Andriamanitrao izay hampitondrainy anao ho anay izahay. Hanaiky ny feon'ny Tompo Andriamanitray, izay nanirahanay anao izahay,

6 na ho soa na ho ratsy, mba hihavian'ny soa aminay amin'ny fanekenay ny feon'ny Tompo Andriamanitray. 7 Nony afaka folo andro, tonga tamin'i Jeremia ny tenin'ny Tompo,

8 ka nantsoiny Johanana zanak'i Karea, mbamin'ny mpifehy miaramila rehetra teo aminy, sy ny vahoaka rehetra na kely na lehibe, 9 dia nilazany hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely, izay nanirahanareo ahy hitondra eo anatrehany ny hatakareo: 10 Raha manohy ny fonenana amin'ity tany ity hianareo, dia haoriko, fa tsy horavako, hamboleko, fa tsy hongotako, fa anenenako ny loza namelezako anareo. 11 Aza matahotra ny mpanjakan'i Babilona, izay atahoranareo; aza matahotra azy - teny marin'ny Tompo, - fa momba anareo aho, hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tànany. 12 Hataoko mahazo famindram-po hianareo, ka hamindra fo aminareo izy, dia hampody anareo amin'ny taninareo. 13 Fa raha hoy kosa hianareo: Tsy honina amin'ity tany ity izahay; ka tsy manaiky ny feon'ny Tompo Andriamanitrareo hianareo; 14 raha hoy hianareo: Tsia fa any Ejipta no halehanay, izay tsy hahitanay ady, tsy handrenesanay feon'anjomara, tsy hahatsiarovanay noana, ka any no honenanay; 15 dia henoinareo ny tenin'ny Tompo, ry sisa amin'i Jodà: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Raha mitodi-maso mankany Ejipta hianareo mba ho any ka miditra hitoetra any hianareo, 16 ny sabatra atahoranareo, hahatratra anareo any amin'ny tany Ejipta, ny mosary ahinareo mafy, hanjohy anareo any Ejipta, ary ho faty any hianareo. 17 Izay rehetra mitodi-maso mankany Ejipta mba ho any sy honina any, dia ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta avokoa, fa tsy misy ho velona sy afa-mandositra ny loza hahatrako aminy. 18 Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Toy ny niantefan'ny fahatezerako amam-pahavinirako tamin'ny mponina tao Jerosalema, no hiantefan'ny fahatezerako aminareo, nony tafiditra any Ejipta hianareo, ka dia ho fisahato, fitalanjonana, fanozonana ary fandatsan'ny olona hianareo sady tsy hahita ity tany ity intsony. 19 Ry sisa amin'i Jodà ô, izao no lazain'ny Tompo aminareo: Aza miditra any Ejipta hianareo; fantaro tsara fa efa nanariko am-pahibemaso hianareo izao androany. 20 Fa efa naningo-tena hianareo, tamin'ny nanirahanareo ahy ho amin'ny Tompo Andriamanitsika, nanao hoe: Mivavaha amin'ny Tompo Andriamanitsika ho anay, fa izay rehetra holazain'ny Tompo Andriamanitsika, dia ambarao anay fa hotanterahanay avokoa. 21 Nanambara izany taminareo aho androany, fa tsy nihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitrareo kosa hianareo, na ny zavatra inona na ny zavatra inona nanirahany ahy ho aminareo. 22 Koa aoka ho fantatrareo marimarina izao, fa ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta any amin'ny tianareo aleha honenana hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1158