Bokin'i Jeremia

Toko faha-43

1 Nony tapitra voalazan'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra avokoa ny tenin'ny Tompo Andriamaniny, ireo teny rehetra nanirahan'ny Tompo Andriamaniny azy ho aminy,

2 dia niteny Azariasa zanak'i Osaiasa, sy Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ireo lehilahy mpiavonavona rehetra, ka nanao tamin'i Jeremia hoe: Milaza lainga hianao; Iaveh Andriamanitsika tsy naniraka anao hilaza aminay hoe: Aza miditra any Ejipta mba hitoetra ao. 3 Fa Baròka, zanak'i Neriàsa, no nanome fo anao, mba hanolotra anay ho eo an-tànan'ny Kaldeana, hahafaty anay sy hahalasan-ko babo anay any Babilona. 4 Ka dia tsy nihaino ny feon'ny Tompo nandidy azy hitoetra amin'ny tanin'i Jodà, Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy miaramila rehetra mbamin'ny vahoaka rehetra. 5 Fa nentin'i Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ireo mpifehy miaramila rehetra ihany ny sisan'i Jodà rehetra, ireo izay efa niverina avy any amin'ny firenena rehetra nielezany, honina eo amin'ny tanin'i Jodà, 6 ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy, ny zanakavavin'ny mpanjaka, mbamin'ny olona rehetra, navelan'i Nabozardana lehiben'ny mpiambina niaraka tamin'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, zanak'i Safàna, ary koa Jeremia mpaminany, mbamin'i Baròka, zanak'i Neriàsa. 7 Niditra tany amin'ny tany Ejipta izy ireo, dia tonga hatrany Tafnesa, fa tsy nihaino ny feon'ny Tompo. 8 Ary tonga tamin'i Jeremia tao Tafnesa ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

9 Mitondrà vato lehibe eny an-tànanao, ka afeno eo anatrehan'ny lehilahy amin'i Jodà, ataovy ao anaty simenitra eo amin'ny ngorodona taila, izay anoloan'ny tranon'i Faraona, ao Tafnesa; 10 dia lazao amin'izy ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro aho haniraka haka an'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona mpanompoko, sy hametraka ny seza fiandrianany eo ambonin'ireto vato nafeniko ireto; ary izy hamelatra ny karipetrany eo ambonin'ireo. 11 Ho avy izy, ka hamely ny tany Ejipta; ka izay ho amin'ny fahafatesana, matesa; izay ho amin'ny fahababoana, baboy; izay ho amin'ny sabatra, alavoin-tsabatra. 12 Handrehitra afo ao amin'ny tranon'ireo andriamanitr'i Ejipta aho, ka hodorany izany, ary heontiny babo ireo andriamanitra ireo; ary hihodidinany hoatra ny hihodidinan'ny mpiandry ondry ny lambany ny tany Ejipta, vao hiala eo amim-piadanana izy. 13 Ireo tsangam-bato ao an-tranon'ny Masoandro, eo amin'ny tany Ejipta, hotorotoroiny, ary ireo tranon'ny andriamanitr'i Ejipta hodorany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0482