Bokin'i Jeremia

Toko faha-44

1 Ny teny tonga tamin'i Jeremia, ho an'ny Jodeana rehetra nitoetra tany amin'ny tany Ejipta, dia izay nitoetra tany Migdola, tany Tafnesa, tany Nofa, sy tany amin'ny tany Fatoresa, nanao hoe:

2 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Efa hitanareo ny loza rehetra nahatrako tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'i Jodà rehetra, fa indreo izy ankehitriny, dia efa tany lao sy tsy misy mponina intsony,

3 noho ny ratsy nataony hampahatezitra ahy tamin'ny nandehanany hanatitra emboka manitra amam-panompoana amin'izay andriamani-kafa tsy nisy nahalala, na izy, na hianareo, na ny razanareo. 4 Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo aho, sady naniraka azy hatramin'ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany hianareo. 5 Kanefa tsy nihaino izy ireo, na nanongilan-tsofina mba hialany amin'ny haratsiany sy tsy hanaterany emboka manitra intsony, amin'izay andriamani-kafa. 6 Ka dia niantefa tamin'izy ireo ny fahavinirako amam-pahatezerako, ka nirehitra tamin'ny tanànan'i Jodà sy ny làlam-ben'i Jerosalema, ka tonga tany lao sy efitra izany, araka ny hita ankehitriny izao. 7 Koa ankehitriny dia izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr'Israely: Nahoana hinareo no nampidi-doza mafy toy izao aminareo, dia izay haharingana anareo ao amin'i Jodà, na ny lehilahy na ny vehivavy aminareo, na ny zaza na ny vao minono aminareo, tsy hisy izay sisa havela akory; 8 dia izay hampahatezitra ahy amin'ny asan-tànanareo, amin'ny anateranareo emboka manitra amin'izay andriamani-kafa, eo amin'ny tany Ejipta, izay nidiranareo hitoerana, mba haharingana anareo, sy hahatonga anareo ho fanozona sy fandatsa amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany? 9 Hadinonareo va ny heloky ny razanareo, ny heloky ny mpanjakan'i Jodà, ny heloky ny vehivavy ao Jodà, ny heloky ny tenanareo, amin'ny tanin'i Jodà, sy teny an-dalam-ben'i Jerosalema? 10 Mandrak'androany izy ireo tsy mbola nanenina, tsy mbola nana-tahotra, tsy mbola nandeha araka ny lalàko na ny didy nataoko teo anoloanareo sy teo anoloan'ny razanareo. 11 Noho izany, izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro aho hitodi-tava hamely anareo, hahatonga loza aminareo sy handringana an'i Jodà rehetra. 12 Halaiko ny sisa amin'i Jodà, izay nitodi-maso mankany Ejipta mba ho tonga hitoetra any: Ho levona any amin'ny tany Ejipta, dia ho lavo izy ireo: ho levon'ny sabatra sy ny mosary; na ny kely na ny lehibe, ho fatin'ny sabatra sy ny mosary izy ireo ary ho tonga fisahato, fitalanjonana, fanozona, ary fandatsa. 13 Toy ny namangiako an'i Jerosalema tamin'ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta no hamangiako an'izay mitoetra eo amin'ny tany Ejipta. 14 Tsy hisy ho afaka handositra na ho velona ny sisa amin'i Jodà, tamin'ireo izay tonga mba honina eto amin'ny tanin'i Ejipta, ka hiverina indray amin'ny tanin'i Jodà, izay irin'ny fony hiverenana mba honenana. Satria tsy hisy hody any izy afa-tsy izay vitsivitsy afa-mandositra ihany. 15 Tamin'izay namaly an'i Jeremia ny lehilahy rehetra, nahalala fa efa nanatitra emboka manitra tamin'ireo andriamani-kafa, ny vadiny sy ny vehivavy rehetra tafavory teo amin'ny fivoriam-be ary ny vahoaka rehetra nitoetra tany amin'ny tany Ejipta tao Fatoresa, ka nanao hoe: 16 Tsy mihaino anao izahay amin'ny teny nolazainao taminay, amin'ny anaran'ny Tompo. 17 Fa ny teny rehetra naloaky ny vavanay, dia tsy maintsy tanterahanay tokoa tokoa, amin'ny fanaterana emboka manitra amin'ny Mpanjakavavin'ny lanitra, amin'ny fandrarahana fanatitra araraka ho azy, araka ny efa nataonay dia izahay sy ny razanay ary ny mpanjakanay amam-panapaka anay tany amin'ny tanin'i Jodà sy teny an-dalam-ben'i Jerosalema. Tamin'izany, izahay voky hanina, niadana ary tsy nahita loza. 18 Fa hatramin'ny nitsaharanay tsy nanatitra emboka manitra ho an'ny Mpanjakavavin'ny lanitra sy tsy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy, vao tsy nanana na inona na inona izahay, sady levon'ny sabatra ama-mosary. 19 Ary raha nanatitra emboka manitra sy nandraraka fanatitra araraka ho an'ny Mpanjakavavin'ny lanitra izahay, moa takona ny vadinay va ny nanaovanay mofomamy manambara azy, sy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy? 20 Dia niteny tamin'ny vahoaka rehetra Jeremia, namelively ny lehilahy sy ny vehivavy sy ireo namaly azy toy izany, ka nanao taminy hoe:

21 Tsy izany indrindra va no tsaroan'ny Tompo sy tafasondrotra tao am-pony, dia ny emboka manitra nodoranareo tany an-tanànan'i Jodà, sy teny an-dalam-ben'i Jerosalema, na hianareo sy ny razanareo, na ny mpanjakanareo amam-panapaka anareo, na ny vahoaka tamin'ny tany? 22 Tsy nahalefitra mihaotra noho izay intsony Iaveh, noho ny haratsian'ny nataonareo, sy noho ny fahavetavetana notanterahinareo ka dia zary efitra lao, voaozona, ary tsy misy mponina ny taninareo, araka izao hita anio izao. 23 Satria hianareo nanolotra emboka manitra sy nanota tamin'ny Tompo, fa tsy nihaino ny feon'ny Tompo, ny lalàny sy ny fitsipika aman-didiny; dia noho izany no niharan'izao loza manjo anareo izao hianareo, araka izao hita anio izao. 24 Ka dia hoy Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra, sy tamin'ny vehivavy rehetra nanao hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo, hianareo Jodà rehetra atý amin'ny tany Ejipta.

25 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Hianareo sy ny vadinareo, samy efa nanambara tamin'ny vavanareo sy nanatanteraka tamin'ny tànanareo nanao hoe: Ho efainay tokoa ny voady nataonay, hanolotra emboka manitra sy handraraka fanatitra araraka ho an'ny Mpanjakavavin'ny lanitra. Aoka àry, ka efao ny voadinareo, aza diso ny manatanteraka ny voadinareo. 26 Koa mihainoa ny tenin'ny Tompo, ry Jodà rehetra mitoetra atý amin'ny tany Ejipta: Indro aho fa mianiana amin'ny anarako lehibe, hoy Iaveh, fa tsy hotononin'ny vavan'ny lehilahy amin'i Jodà eran'ny tany Ejipta intsony, ny anarako, hatao hoe: Velona Iaveh Tompo. 27 Indro aho miambina azy ireo, hampidi-doza fa tsy soa amin'izy ireo, ka dia ho levon'ny sabatra sy ny mosary avokoa, ny lehilahy amin'i Jodà, mandra-paharingany. 28 Ary izay vitsy kely ho afa-mandositra ny sabatra, dia ho tafaverina any amin'ny tanin'i Jodà, avy atý amin'ny tany Ejipta. Ka dia ho fantatr'izay sisa amin'i Jodà rehetra, dia izay tonga tany Ejipta, hitoetra tany, izay to teny, na izaho, na izy ireo. 29 Ary izao no famantarana ho anareo - teny marin'ny Tompo, - fa hovangiako eto amin'ity fitoerana ity tokoa hianareo, mba hampiharihary aminareo fa tsy maintsy to mihitsy ny teniko hahatonga loza aminareo. 30 Izao no lazain'ny Tompo: Indro aho manolotra an'i Hofra Faraona, mpanjakan'i Ejipta, eo an-tànan'ny fahavalony, sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, tamin'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, fahavalony sy nitady ny ainy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.152