Bokin'i Jeremia

Toko faha-46

1 Tenin'ny Tompo tonga tamin'i Jeremia mpaminany, ny amin'ireo firenena mpanompo sampy.

2 Ny amin'i Ejipta. Teny mamely ny tafik'i Nekao Faraona mpanjakan'i Ejipta, teo amoron'ny ony Eofrata, tao Karkemisa, izay resin'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joakima, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà.

3 Vonony ny ampinga kely aman'ampinga be ka mandrosoa hiady!

4 Ataovy amin'ny kalesa ny soavaly; Miakàra ambony soavaly hianareo mpitaingina azy! Hianareo misatroka fiarovan-doha, milahara! Fotsio ny lefona, iakanjoy ny fiarovan-tratra.

5 Fa inona re ity hitako e? Raiki-tahotra izy ireo, ka miamboho lahy! Resy ny mpiadiny! Mandositra tsy miherika akory izy ireo! Fa misy fampangorohoroana hatraiza hatraiza, - teny marin'ny Tompo.

6 Ny faingan-tongotra, aza afa-mandositra! ny lehilahy mahery fo, aza afa-mitsoaka! Any amin'ny tany avaratra, amoron'ny ony Eofrata, indro izy mivembena dia lavo.

7 Iza izato miakatra hoatra an'i Nila sy misamboaravoara ny onjany hoatra ny ony be?

8 Ejipta izao miakatra hoatra an'i Nila izao, ka misamboaravoara ny onjany hoatran'ny ony be, Hoy izy: Hiakatra aho, ka hanapaka ny tany, haringako ny tanàna mbamin'ny mponina ao aminy.

9 Mandrosoa, ry soavaly; Mirimorimoa, ry kalesy! Miaingà, ry mpiady! Ry Etiopiana sy Libiana mitanà ampinga, Ry Lidiana, mitanà sy manenjàna tsipìka!

10 Fa andron'ny Tompo Iavehn'ny tafika ity, andro famaliana, hamaliany ny fahavalony! Mihinana ny sabatra ka mivoky, etsaky ny ran'ireny izy; fisoronana ho an'ny Tompo Iavehn'ny tafika izao, any amin'ny tany avaratra amoron'ny ony Eofrata.

11 Miakara any Galaada, ka makà ditin-kazo manitra, Ry virjiny, zanakavavin'i Ejipta. Mampitombo ny fanafody foana hianao; fa tsy hanam-pahasitranana tsy akory.

12 Ren'ny firenen-tsamihafa ny henatrao; manenika ny tany ny fikiakiakanao; fa ny samy mahery no mifandona; ka samy lavo izy roa tonta.

13 Ny teny nataon'ny Tompo tamin'i Jeremia, mpaminany, ny amin'ny hihavian'i Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona hamely ny tany Ejipta.

14 Torionareo any Ejipta, ampandreneso any Migdola, ampandreneso any Nofa sy any Tafnesa; ka lazao hoe: Milahara hianareo, ka miomana; fa efa mandripaka sahady eny amin'ny manodidina anareo ny sabatra!

15 Hanky! efa lavo ny maherinao, tsy nahajoro izy, satria nazeran'ny Tompo amin'ny tany izy.

16 Hamaroiny ny isan'izay tafintohina, ka lavo mifanindry ireny, sady manao hoe: Mitsangàna isika, miverena any amin'ny firenentsika, sy any amin'ny tany nahaterahantsika, lavitra ny sabatra mahafaty olona.

17 Izao no fiantsoantsony any: Voa Faraona, mpanjakan'i Ejipta: nandiso ny fotoana mety izy!

18 Velona aho, - teny marin'ny Mpanjaka, tompon'ny anarana hoe: Iavehn'ny tafika: Tahaka an'i Tabora eo amin'ny tendrombohitra, tahaka an'i Karmela, eo ambonin'ny ranomasina, dia tamy izy.

19 Fehezo ny entanao, entan-tsambotra, ry mponina zanakavavin'i Ejipta, fa indro Nofa ho zary tany efitra; hodorana izy, ka tsy hisy mponina intsony.

20 Ejipta dia ombivavy kely tsara tarehy fatratra, fa misy fihitra tonga avy any avaratra.

21 Ny mpikarama eo aminy kosa, hoatra ny zanak'omby voafahy. Indreny miamboho koa izy ireo dia miara-mandositra, fa tsy manohitra izy, fa nihatra taminy ny androm-pahoriana, dia ny fotoana hamaliana azy.

22 Ny feony dia hoatra ny sasasasan'ny menarana mandeha; satria marobe izy ireo no tonga, dia tonga eo aminy, mitondra famaky, sahala amin'ny mpikapa hazo.

23 Nokapain'ireo ny alany, - teny marin'ny Tompo, nefa nikitroka efa izaitsizy; satria maro noho ny valala izy ireo, ka efa tsy tambo isaina.

24 Mangaihay ny zanakavavin'i Ejipta; natolotra eo an-tanan'ny firenena any avaratra izy!

25 Hoy Iavehn'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro, hovangiako avokoa Amona any No, sy Faraona sy Ejipta, ireo andriamaniny sy ny mpanjakany, ary Faraona mbamin'ireo natoky azy.

26 Ary hatolotra eo an-tànan'izay mitady ny ainy izy ireo, dia eo an-tanan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, sy eo an-tanan'ny mpanompony. Fa any aorian'izany, vao honenana izy, toy ny tamin'ny andro taloha, - teny marin'ny Tompo.

27 Ary hianao, aza matahotra, ry Jakoba, mpanompoko, aza manam-badi-po, ry Israely. Indro hianao, halaiko avy any an-tany lavitra, ary ny taranakao, avy any amin'ny tany nahababo azy. Ho tafaverina Jakoba, ka hiadana, handry fahizay, tsy misy mpanaitaitra.

28 Aza matahotra hianao, ry Jakoba, mpanompoko, - teny marin'ny Tompo, - fa momba anao aho! Haringako avokoa ny firenena rehetra nandroahako anao. Fa hianao kosa tsy mba haringako. Hofaiziko ara-drariny anefa hianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0981