Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 47
Ny Filistina.
1 Tenin'Iaveh, tonga tamin'i Jeremia mpanimany, ny amin'ny Filistina, fony Faraona tsy mbola namely an'i Gazà.
2 Izao no lazain'Iaveh:
Indro, misy rano be misondrotra avy any avaratra;
dia tonga sahala amin'ny renirano maria tondraka,
ka hanafotra ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy,
na ny tanàna, na ny mponina.
Mihorakoraka ny lehilahy,
ary midradradradra avokoa ny mponina amin'ny tany.
3 Rahefa re ny fikatraoky ny tongo-tsoavaliny,
sy ny firodorodon'ny kalesany aman-tabataban'ny kodiarany:
tsy miherika izay zanany intsony ny rainy,
fa efa miraviravy tànana fatratra ny olona.
4 Izany dia noho ny fahatongavan'ny andro
handringanana ny Filistina rehetra;
handripahana an'izay sisa amin'ny mpikambana
amin'i Tira sy Sidona;
fa horavan'Iaveh ny Filistina,
izay sisa amin'ny nosy Kaftora.
5 Tonga mangadihady loha Gaza;
levona Askalona,
mbamin'ny lohasaha manodidina azy.
Mandra-pahoviana hianao no mbola hiteti-tena ihany?
6 Indrisy, ry sabatr'Iaveh,
mandra-pahoviana no tsy hanam-pitsaharana hianao?
Midìra indray ao amin'ny tranonao,
miatoa ary mandria!
7 Hataonao ahoana moa no fitsahatra,
fa nomen'Iaveh didy hianao?
Mankany Askalona sy any amoron-dranomasina
no itarihany azy.