Bokin'i Jeremia

Toko faha-48

1 An'i Moaba. Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Loza ho an'i Nabao, fa rava; safo-kenatra Kariataima, fa azo; safo-kenatra ny trano mimanda, fa voazera;

2 tsy misy intsony izay voninahitr'i Moaba! Any Hesebona no hidinihana ny loza hamelezana azy: Andeha hofongorantsika eo amin'ny firenena izy! Hianao koa, ry Madmena, hatao gina; mandeha manaraka eo aorianao ny sabatra.

3 Injany, avy ao Horonaima misy antoantso hoe: Fandringanana sy fandravana lozan-tany re!

4 Montsana Moaba; mandefa antsoantso ny ankizy madinika ao aminy.

5 Eny, fa misy fitomaniana ao amin'ny fiakaran'i Loita, mitomany ny olona no miakatra eo; eny, eo amin'ny fidinan'i Horonaima, fitarainam-pahoriana no re.

6 Mandosira, vonjeo ny ainareo! Ho tahaka ny anjavidy an-tany foana anie izy.

7 Fa noho hianao nitoky tamin'ny asan-tananao aman-drakitrao, dia ho lasan'ny hafa koa hianao; ary indray ho lasan-ko babo Kamosy mbamin'ny mpisorony amam-pilohany rehetra.

8 Ho tonga hamely ny tanàna rehetra ny mpandringana, ka tsy hisy ho afaka aminy izy ireo na iray aza; ny lohasaha, ho simbana; ary ny tanety, horobaina, araka ny voalazan'ny Tompo.

9 Omeo elatra Moaba, fa tokony hanidina izy; ho ravana ny tanànany, ka tsy hisy mponina intsony.

10 Ho voaozona anie izay mitsilamodamoka amin'ny asan'ny Tompo! Ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!

11 Hatry ny fony mbola zaza Moaba dia nandry fahizay, niotrika teo amin'ny faikany, tsy nafindrafindra vilany, tsy lasana ho any amin'ny fahababoana, ka dia naharitra ny tsirony, ary tsy niova ny fofony.

12 Koa indro, tonga ny andro, - teny marin'ny Tompo, hanirahako mpamindra am-bilany, hamindra vilany azy, hofoanany ny vilaniny, ary hovakiny ny sininy.

13 Dia ho menatra Moaba noho ny amin'i Kamosy toy ny nahamenaran'ny taranak'Israely, noho ny amin'i Betela izay nitokiany.

14 Ahoana no ahazoanareo milaza hoe: mpiady izahay, lehilahy mahery an'ady izahay?

15 Moaba efa rava; ny tanànany efa midona-tsetroka; ny zatovony voafantina, midina ho any am-pamonoana, - teny marin'ny mpanjaka, manana anarana hoe: Iavehn'ny tafika.

16 Antomotra ny fandravana an'i Moaba; mimaona fatratra ny loza hanjo azy.

17 Hianareo rehetra mifanakaiky aminy, samia mitsapa alahelo azy, ary hianareo rehetra mahalala ny anarany, samia milaza hoe: Ahoana no dia tapaka ny tehina mafy toy izany, ny tehim-panjakana kanto toy izany?

18 Mietre amin'ny voninahitrao dia mipetraha amin'ny tany, ry mponina, zanakavavin'i Dibona; fa tafakatra hamely anao ny mpandringana an'i Moaba, ny mandanao efa voazerany.

19 Mijanòna eo an-dalambe, ka mitazàna, ry kala mponina ao Aroera; anontanio ny lehilahy mandositra, sy ny vehivavy mitsoaka, ka ataovy hoe: Inona no mihatra?

20 Mangaihay Moaba, fa voazera; samia hianareo mitoloko sy mitaraina! Ambarao any Arnona, fa rava Moaba!

21 Misy fitsarana tonga, mihatra amin'ny tany lemaka, amin'i Helona, amin'i Jasà,

22 amin'i Mefaata, amin'i Dibona, amin'i Nabao, amin'i Beta-Deblataima,

23 amin'i Kariataima, amin'i Beta-Gamola, amin'i Beta-Maona,

24 amin'i Kariota, amin'i Bosra, sy amin'ny tanana rehetra amin'ny tanin'i Moaba, na ny lavitra na ny akaiky.

25 Voakapa ny tandrok'i Moaba, ary tapaka ny sandriny, - teny marin'ny Tompo.

26 Ataovy doroka izy, fa nitsangan-kanohitra an'ny Tompo. Aoka Moaba hihosinkosina amin'ny loany, ary aoka izy koa ho tonga fihomehezana!

27 Fa moa Israely tsy fihomehezana taminao va? Moa nisy nahatratra azy ho naman'ny mpangalatra va? no dia nihifikifi-doha hianao,isaky ny miteny ny aminy?

28 Ilaozy ny tanàna, mitoera any amin'ny vatolampy, ry mponina any Moaba, ka aoka ho tahaka ny domohina izay manao ny akaniny eny ambonin'ny hantsana mangotanatana.

29 Efa renay ny avonavon'i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny fisolanandrany, ny avonavony, ny reharehany, ary ny hambom-pony.

30 Izaho koa dia mahalala, - teny marin'ny Tompo, ny fioha-bavany sy ny bedibedy foanany, ary ny asany tsinontsinona.

31 Koa migogogogo aho, noho ny amin'i Moaba; midradradradra aho, noho ny amin'i Moaba rehetra, mitsetra ny olona, noho ny amin'ny mponina ao Kir-Heresa.

32 Mihoatra noho ny fitomaniana an'i Jazera no itomaniako anao ry tanimboalobok'i Sabama. Tafita ny ranomasina ny rantsanao tafapaka amin'ny ranomasin' Jazera izy, Kanjo ny fitoazana anao amam-piotazana ny voalobokao, nianjeran'ny mpandringana.

33 Foana ny fifaliana amam-piravoravoana, eo amin'ny saha voavoly hazo mamoa sy ny tanin'i Moaba; nataoko tankina ny divay eo amin'ny barika fandoman-boaloboka; tsy hosihosena intsony amim-pihobiana maresaka izy; ny hoby efa tsy hoby intsony.

34 Noho ny antsoantson'i Hesebona re hatrany Eleale; hatrany Jasà, dia mandefa ny antsoantsony izy ireo; hatrany Segora ka hatrany Horonaima, hatrany Eglata-Selisia, fa mbamin'ny ranon'i Nemrina aza no ho tankina.

35 Tiako hofaranana ny amin'i Moaba, - teny marin'ny Tompo, izay miakatra ho eo amin'ny fitoerana avony, sy manolotra emboka manitra amin'ny andriamaniny.

36 Koa mitaraina hoatra ny sodina ny foko, noho ny amin'i Moaba; eny, ny foko, noho ny amin'ny mponina ao Kri-Heresa, mitaraina hoatra ny sodina. Koa very avokoa izay tombony efa azony.

37 Fa nibory ny loha rehetra, voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin'ny tanàna rehetra, ary misy lasaka koa ny valahana.

38 Eny ambony tafon-trano rehetra sy eny amin'ny kianja ao Moaba, tsy misy afa-tsy figogogogoana fotsiny; fa nomontsaniko Moaba hoatra ny fanaka tsy ahoan'ny olona intsony, - teny marin'ny Tompo.

39 He ity fahatorotorony! Mba misentoa hianareo. He ity fiambohon'i Moaba amin-kenatra! Tonga fihomehezana Moaba, tonga fampitahorana ho an'izay rehetra mifanakaiky aminy izy.

40 Fa izao no lazain'ny Tompo: Indro izy miezaka hanidina toy ny voro-mahery, mamelatr'elatra eo ambonin'i Moaba.

41 Azo Kariota; afaka ny trano mimanda; ary ny fon'ny mpiady maherin'i Moaba amin'izany andro izany, dia toy ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza.

42 Voaongana Moaba amin'ny maha-firenena azy, satria nitsangan-kanohitra an'ny Tompo.

43 Tahotra, lavaka amam-pandrika, no mitatao anao, ry mponina any Moaba, - teny marin'ny Tompo.

44 Izay mandositra ny zava-mahatahotra azy, ho latsaka ao an-davaka; ary izay miakatra avy ao an-davaka, ho voan'ny fandrika; fa hataoko tonga aminy, dia amin'i Moaba, ny taona famangiana azy, - teny marin'ny Tompo.

45 Mijanona eo amin'ny alokalok'i Hesebona ny mpandositra lany hery; kanjo misy afo mivoaka avy ao Hesebona, ary misy lelafo avy ao afovoan'i Sehona; ka nandevona ny valahan'i Moaba, sy ny karan-dohan'ny zanaky ny fitabatabana.

46 Loza ho anao, ry Moaba! Very ny vahoaka ao Kamosy; fa ny zanakao lahy entina atao sesi-tany, ny zanakao vavy lasan-ko babo.

47 Mbola hampodiko anefa ny voababo amin'i Moaba, any amin'ny farandro any, - teny marin'ny Tompo. Hatreto ny fitsarana an'i Moaba.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.106