Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 5
Fahasimbana amam-pikorontanana mahazo an'i Jerosalema.
1 Tetezo ny lalana ao Jerosalema,
ka jereo, fotory;
savao eny amin'ny kianjany
raha sendra mahita olona iray ao hianareo,
raha misy iray monja aza, mba manao ny rariny
sy mitady ny hitsiny,
dia hamindra fo amin'ny tanana aho.
2 Na dia amin'ny teniny manao hoe: Velona Iaveh! aza,
dia mianiana tsy to izy.
3 Ry Tompo o, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin'ny masonao?
Nikapoka azy hianao, fa tsy nalahelo izy;
nandripaka azy hianao, fa tsy nety nino anatra izy;
nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany,
tsy nety nibebaka izy.
4 Ary hoy aho kosa nanao hoe: Ny ankizy ihany izany.
Manao tahaka ny adala izy, fa tsy mahalala ny lalan'ny Tompo izy ireo,
sy ny lalan'ny Andriamaniny.
5 Ka ry zareo lehibe no halehako, ireo no hitenenako;
Fa ireo no mahalala ny lalan'ny Tompo,
sy ny lalan'ny Andriamaniny...
Kanjo ireo koa, samy efa nanapaka jioga
sy nanito fatorana avokoa!
6 Noho izany ny liona avy any an'ala namely azy;
ny amboadia avy any an'efitra mandringana azy;
ny pantera mamitsaka eo anoloan'ny tananany,
ka izay mivoaka avy ao voaviravira avokoa;
satria efa maro ny hadisoany,
ary efa betsaka ny fiodinany.
7 Ahoana ange no hamindrako fo aminao?
Ny zanako, nahafoy ahy,
sady mianiana amin'izay tsy Andriamanitra.
Izaho namoky azy, izy kosa nitolo-tena tamin'ny hafa;
mandeha manao andiany, ho any an-tranon'ny vehivavy janga.
8 Lahin-tsoavaly tsara fahana mikarenjy izy ireo,
ka samy maneno amin'ny vadin'ny namany avy.
9 Koa tsy hosaziko va izy amin'izany heloka izany!
- teny marin'ny Tompo;
ary izay firenena toy izany va
tsy hovaliako?
10 Aniho ny mandany ka ravao,
fa aza levonina avokoa;
esory ny sakeliny,
fa tsy an'ny Tompo ireny!
11 Satria efa nivadika tamiko,
ny taranak'Israely sy ny taranak'i Joda,
- teny marin'ny Tompo.
12 Efa nanda an'ny Tompo izy, fa nanao hoe: Tsy misy izy,
ka tsy hisy loza hanjo antsika;
tsy hahita sabatra na mosary isika.
13 Ny mpaminany, rivotra foana,
fa tsy misy miteny ao anatin'izy ireo:
ka ny tenan'izy ireo ihany no aoka hozoin'izany.
14 Noho izany, izao koa no lazain'ny Tompo,
Andriamanitry ny tafika:
Noho izany vava ataonao izany,
indro ny teniko hataoko toy ny afo no eo am-bavanao;
ary ity vahoaka ity ho kitay hazo;
ka holevonin'izany afo izany.
15 Inty aho mitondra hamely anareo
firenena iray avy lavitra,
ry taranak'Israely, - teny marin'ny Tompo;
firenena mahery izy io, firenena fahagola,
firenena tsy hainao fiteny,
ary tsy fantatrao izay lazainy.
16 Fasana misokatra ny tranon-jana-tsipikany;
lehilahy mahery avokoa izy.
17 Holaniny ny hanina amam-bokatrao;
holaniny ny zanakao lahy aman-janakao vavy
holaniny ny ondry aman'ombinao;
holaniny ny voalobokao aman'aviavinao;
horavany amin'ny sabatra ny tanananao mimanda
izay nitokianao.
18 Nefa na dia amin'izany andro izany aza, - teny marin'ny Tompo,
tsy dia hofongorako avokoa hianareo.
19 Ary raha tahiny hianareo manao hoe:
Nahoana Iaveh Andriamanitsika, no dia manao toy izao aminay?
izao no lazainao aminy:
Toy ny nahafoizanareo ahy,
hanompoanareo andriamani-kafa eo amin'ny taninareo,
no hanompoanareo olon-kafa,
eo amin'ny tany tsy anareo.
20 Ambarao izao amin'ny taranak'i Jakoba
ary torio amin'i Joda arak'izao teny izao:
21 Henoinareo ary izao, ry firenena adala sy tsy misy fo,
mana-maso izy fa tsy mahita;
manan-tsofina fa tsy mandre!
22 Tsy hatahotra ahy va hianareo, - teny marin'ny Tompo;
tsy hangovitra eo anatrehako va hianareo;
Izaho no nanao ny fasika ho fefin'ny ranomasina,
dia fefy mandrakizay tsy hihoarany!
Mitopatopa ny onjany, fa tsy afaka izy;
mirohondrohona izy, fa tsy afa-mihoatra azy.
23 Fa ity vahoaka ity manana fo maditra sy miodina;
mihataka izy dia lasa.
24 Fa tsy mba manao anakam-po hoe:
Aoka isika hatahotra an'ny Tompo Andriamanitsika,
izay mandatsaka ny ranonorana, dia ny loha-orana
sy ny fara-orana, amin'ny fotoanany avy,
sady mitandrina ho antsika ireo herinandro voatendry ho fararano.
25 Ny helokareo no nanakorontana izany filaminana izany;
ny fahotanareo no nanala izany soa izany taminareo.
26 Fa misy ratsy fanahy amin'ny vahoakako;
mamitsaka toy ny mpamandri-borona mijoko izy,
mamela-pandrika izy, ka mahazo olona.
27 Toy ny tranom-borona feno vorona,
no mahafeno fitaka ny tranony.
Amin'izany izy, tonga lehibe sy manan-karena;
28 mihamatavy mandimandina izy ireo.
Mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy izy;
tsy manao fitsarana marina, fitsarana marina ho an'ny kamboty... nefa ambinina ihany!
tsy manome hitsiny ny mahantra.
29 Tsy hasiako saziny va izany heloka izany?
- teny marin'ny Tompo;
ary izay firenena toy izany va
tsy hovaliako!...
30 Zava-betaveta sy mahatsiravina
no atao amin'ny tany.
31 Ny mpaminany, maminany lainga,
ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak'ireo mpaminany ireo;
ary ny vahoakako mankasitraka izany!
Ka inona no hataonareo hiafaran'izany rehetra izany!