Bokin'i Jeremia

Toko faha-50

1 Ny teny notononin'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Jeremia mpaminany, ny amin'i Babilona sy ny tanin'ny Kaldeana.

2 Ambarao any amin'ny firenena, torio izao, manangàna saina, ka torionareo izao; aza afeninareo fa lazao hoe: Azo, Babilona. Mangaihay ny sampiny, voazera ny andriamanitra tsy izy ao.

3 Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy, ka hataony lao ny taniny, fa tsy hisy olo-monina intsony; nitsoaka nandositra, na ny olona na ny biby, dia lasa, - teny marin'ny Tompo.

4 Amin'izany andro izany, sy amin'izany fotoana izany, hiverina ny zanak'Israely, dia izy sy ny zanak'i Jodà koa miaraka aminy. Hitomany eny am-pandehanana izy ireo, ka hitady an'ny Tompo Andriamaniny.

5 Hanontany ny amin'i Siona izy, dia hitodika manatrika azy. Avia hianareo, ka miraiketa amin'ny Tompo isika, amin'ny fanekena mandrakizay, tsy hohadinoina na oviana na oviana.

6 Efa andian'ondry nanjiona ny oloko narebirebin'ny mpiandry azy, teny an-tendrombohitra manodoka; nitety ny tendrombohitra aman-kavoana ombieny ombieny izy, ka nanadino ny valany.

7 Izay nahita azy ireo, nihinana azy avokoa; ka hoy ny fahavalony: Tsy meloka isika! satria izy ireo efa nanota tamin'ny Tompo, ilay fonenan'ny fahamarinana; tamin'ny Tompo, ilay fanantenan'ny razany.

8 Mandosira, mialà ao afovoan'i Babilona hianareo, ary mitsoaha miala ao amin'ny tanin'ny Kaldeana; aoka ho toy ny osilahy, loha-làlan'ny andiam-biby fiompy.

9 Fa indro aho hanainga sy handefa hamely an'i Babela ny fitambaran'ny firenena lehibe avy amin'ny tany any avaratra. Hilahatra hiady aminy ireny ka hahafaka azy avy any; ny tsipìkany dia tsipìkan'ny mpiady mahery izay tsy mba miverina mitondra tànam-polo.

10 Dia horobaina Kaldea, ho voky avokoa izay handroba azy, - teny marin'ny Tompo.

11 Eny, mifalia hianareo; eny, miravoravoa hianareo, ry mpamabo ny lovako; eny, aoka hifalihavanja hoatra ny ombivavy kely eny an-tanim-bilona hianareo; sady haneno toy ny soavaly lahy!

12 Safo-kenatra ny reninareo; mivoaramenan'ny henatra ilay niteraka anareo. Indro izy, fa farahidiny amin'ny firenena, efitra, tany foana, tany karankaina!

13 Noho ny hatezeran'ny Tompo tsy honenana intsony izy, fa ho tonga tany lao; izay rehetra handalo eo akaikin'i Babela ho talanjona sy hisitrisitra avokoa mahita ny feriny.

14 Milahara hamely an'i Babela, manodidina azy, hianareo mitana tsipìka rehetra. Tifiro izy, aza itsitsian-jana-tsipìka, fa nanota tamin'ny Tompo.

15 Manaova akoran'ady amin'ny manodidina azy, hatraiza hatraiza; manandra-tànana izy, mirodana ny tilikambony, mikoa ny mandany. Fa famalian'ny Tompo izao: ampitondray valim-bonoana izy: toraky ny nataony no ataovy aminy!

16 Aringano ao Babela izay mamafy, sy izay mitana antsy fijinjana amin'ny andro fararano. Eo anatrehan'ny sabatra mpandringana samia mihodina ho any amin'ny fireneny avy; samia mandositra ho any amin'ny taniny avy!

17 Israely dia ondry mania izay nohazain'ny liona: ny voalohany nihinana azy, dia ny mpanjakan'i Asiria; ilay anankiray hafa kosa indray, nanapatapaka ny taolany, dia Nabokodonozora, mpanjakan'i Babela.

18 Noho izany, izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro aho hamangy ny mpanjakan'i Babela sy ny taniny, toy ny efa namangiako ny mpanjakan'i Asiria.

19 Dia hampodiko ho any amin'ny fonenany indray Israely ka hiraotra eny Karmela sy eny Basàna izy; ary eny an-tendrombohitr'i Efraima sy Galaada, izy no handeha hivoky.

20 Amin'izany andro izany, sy amin'izany fotoana izany, - teny marin'ny Tompo, hikaroka izay helok'Israely ny olona, fa tsy hisy intsony izany, satria havelako heloka izay sisa navelako.

21 Miakara hamely ny tanim-piodinana, sy hamely ny mponim-panasaziana; ravao, aringano mifanarakaraka izy, - teny marin'ny Tompo, ka tanteraho avokoa izay nandidiako anao.

22 Fikotrokotrok'ady eny amin'ny tany sy fandringanana be!

23 Ahoana re no naharava sy montsana ilay fampohazan'ny tany rehetra? Ahoana i Babela no zary zavatra maharikoriko, eo afovoan'ny firenena?

24 Nofandrihako tamin'ny tady vavarana hianao, ka voa, ry Babela, nefa tsy nampoizinao velively izany; hita hianao ka voasambotra, satria nila ady tamin'ny Tompo.

25 Novohan'ny Tompo ny firaketam-piadiany; ka navoakany avy ao ny fitaovam-pahatezerany; fa ananan'ny Tompo, Iavehn'ny tafika, raharaha ny tanin'ny Kaldeana.

26 Avia hamely azy avokoa hianareo any rehetra any, vohay ny sompiny ka atokotokoy hoatra ny antontam-bary, dia levony; fa aza avela hisy sisa na dia kely aza.

27 Vonoy avokoa ireo ombalahy, aoka hidina ho any am-pamonoana izy. Loza ho azy fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamangiana azy.

28 Fikiakiakan'ireo mandositra, sy ireo mitsoaka miala amin'ny tanin'i Babela! Manambara any Siona ny famalian'ny Tompo Andriamanitsika izy, dia ny famaliany noho ny amin'ny tempoliny!

29 Antsoy hamely an'i Babela ny mpandefa tsipìka, mbamin'izay rehetra mpanenjana tsipìka, mitobia manodidina azy hianareo; aza misy afa-mandositra! Toraky ny nataony rehetra no mba ataovy aminy kosa, fa nitsangana hanohitra an'ny Tompo, hanohitra an'ilay Masin'Israely.

30 Koa noho izany, ny zatovony ho lavo eny amin'ny kianjany, ary ny lehilahy mpiadiny rehetra ho ringana avokoa, amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo.

31 Indro aho manandrina anao, ry ilay mpirehareha! - tenin'ny Tompo, Iavehn'ny tafika, fa tonga ny andronao, dia ny fotoana hamangiako anao.

32 Handraingiraingy ilay mpirehareha, ho lavo izy, ka tsy hisy mpanarina; horehetako afo ny tanànany, ka ho levon'izany avokoa ny manodidina azy.

33 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Ampahorina ny zanak'Israely mbamin'ny zanak'i Jodà miaraka aminy koa; mitana azy avokoa izy nitondra azy ho babo fa tsy mety mandefa azy.

34 Mahery anefa ny mpanao famaliana ho azy ireo, Iavehn'ny tafika no anaran'izy io; ka hiaro azy ireo amim-pahefana tokoa izy mba hampiadana ny tany, sy hampangovitra ny mponina ao Babela.

35 Sabatra hamely ny Kaldeana, - teny marin'ny Tompo, sy hamely ny mponina ao Babela, sy hamely ny mpanapaka aman-olon-kendriny!

36 Sabatra hamely ny mpisandoka, ka aoka ho very saina izy! Sabatra hamely ny maheriny, ka aoka hivadi-po ireny!

37 Sabatra hamely ny soavaly aman-kalesiny, mbamin'ireo fakofakon'olona rehetra izay eo afovoany, ka aoka ho toy ny vehivavy ireny! Sabatra hamely ny rakiny, ka oka horobaina ireny!

38 Faharitana anie no ho amin'ny ranony, ka aoka ho tankina! Satria tanin-tsampy izany ary eo anatrehan'ireny zava-mampahatahotra ireny, dia mirebireby izy ireo.

39 Koa ny biby any an'efitra aman'amboadia no honina eo, ny ostrisa no hiorim-ponenana eo; fa ny olona tsy hisy honina eo intsony mandrakizay; tsy hisy mponina intsony eo, amin'ny taona mifandimby.

40 Toy ny tamin'ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma, Gomora, mbamin'ireo tanàna manodidina azy, - teny marin'ny Tompo, no tsy hisian'olona monina eo; ny zanak'olombelona tsy hitoetra eo.

41 Indro misy firenena avy any avaratra; firenena lehibe, ombam-panjaka maro, no mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany.

42 Tsipìka aman-dongy no entiny an-tànana; olo-masiaka tsy mahalala antra izy. Mireondreona hoatra ny ranomasina ny feony, mitaingin-tsoavaly izy, milahatra hoatra ny olona iray monja, hamely anao, ry zanakavavin'i Babela.

43 Mandre izany ny mpanjakan'i Babela dia niraviravy tànana, nandry an-driran'antsy, tra-panaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.

44 Indro izy miakatra toy ny liona, avy ao an-kirihitralan'i Jordany, izay misy vilona mandrakariva, fa tampoka kosa no hampandosirako azy ireo hiala ao, ka ilay anankiray voafidiko no hapetrako honina ao. Fa iza moa no tahaka ahy? Zovy no hihantsy ahy, ary iza no mpiandry ondry hahafanandrina amiko?

45 Koa henoy ary ny fikasana naraikitry ny Tompo hamelezana an'i Babela, sy ny hevitra nosaininy hamelezana ny tanin'ny Kaldeana; Eny, hotaritarihana hoatra ny ondry osa izy; ary ho gaga foana amin'izany ny tanim-bilona!

46 Mihorohoro ny tany, rahefa re fa hoe azo Babela, ka misy antso re any amin'ny firenena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0993