Bokin'i Jeremia

Jeremia toko 7. 23-28

       23 Fa ny amin'ny didy nomeko azy ireo, dia izao no nolazaiko taminy:
Mihainoa ny feoko;
ary izaho ho Andriamanitrareo,
ary hianareo ho vahoakako;
mizora amin'ny làlana rehetra handidiako anareo,
mba ho sambatra hianareo.
       24 Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina,
fa nandeha araka ny saim-pantany,
nanaraka ny hamafin'ny fo ratsiny;
nihemotra izy fa tsy nandroso.
       25 Hatramin'ny andro nivoahan'ny razanareo
tany Ejipta, ka mandrak'androany,
dia naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra ho any aminareo aho,
naniraka azy vao maraina isan'andro aho;
       26 kanefa izy ireo tsy nihaino ahy,
tsy nanongilan-tsofina;
fa nanamafy ny hatony,
nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.
       27 Holazainao aminy izany rehetra izany, nefa tsy hihaino anao izy;
hiantsoantso azy ireo hianao, nefa tsy hamaly anao izy.
       28 Ka dia izao no holazainao azy ireo:
Ity no firenena tsy nihaino
ny feon'ny Tompo Andriamaniny,
sady tsy nety nino anatra;
very ny fahamarinana,
fa tsy eo am-bavany intsony.