Bokin'i Jeremia

Toko faha-8

1 Amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo, hofongarina avy ao am-pasany, ny taolan'ny mpanjakan'i Jodà, ny taolan'ny mpanapaka ao aminy, ny taolan'ny mpisorona, ny taolan'ny mpaminany, ary ny taolan'ny mponina ao Jerosalema.

2 Fa hahahy eo anatrehan'ny masoandro amam-bolana, mbamin'ny tafiky ny lanitra rehetra, izay efa tiany, notompoiny, narahiny, nilany hevitra ary niankohofany teo anatrehany; ka tsy hangonina na halevina ireo taolana ireo, fa hanjary zezika eo ambonin'ny tany. Ary ny ho faty fa tsy ho velona, no ho aleon'

3 izay sisa tavela rehetra amin'ity taranaka ratsy ity, any amin'ny tany handroahako azy any, - teny marin'ny Tompon'ny tafika.

4 Lazao azy ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Moa ny lavo, tsy miarina va? ary moa ny diso làlana, tsy miverina va?

5 Ka nahoana ary ity vahoaka eto Jerosalema no efa diso làlana, ka no dia mbola mizotra amin'ny hadisoana ihany? Fa mifikitra mafy amin'ny fitaka izy ireo, ka tsy mety miverina akory.

6 Nitandrina tsara aho ary nihaino: Tsy miteny araka ny mety izy ireo; tsy misy manenina amin'ny haratsiany, na manao hoe: Inona re ity nataoko e? Fa dia samy rafitra mihazakazaka indray avokoa, hoatra ny soavaly miezaka ho amin'ny ady!

7 Ny vano eny amin'ny amin'ny habakabaka aza mahalala ny fotoan'androny, ny domohina aman-tsidintsidina mbamin'ny vanobe, samy mitandrina ny fotoam-piverenany koa; fa ny vahoakako kosa, tsy mahalala ny lalan'ny Tompo.

8 Ahoana no ahalazanareo hoe: Hendry izahay, ary mbý ato aminay ny làlan'ny Tompo? Indro fa ny fandaharan-dainga nataon'ny mpampiana-dalàna mahatonga izany ho lainga!

9 Ny hendry dia efa mahazo henatra, miraviravy tànana, ary voasambotra, indro fa nanary ny tenin'ny Tompo izy ireo! Ka inona intsony no ho fahendreny eo...?

10 Noho izany, dia homeko ny hafa ny vadiny, ary ny sahany homeko ny tompo hafa; satria hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, samy manao filàna tsy marina avokoa; ary hatramin'ny mpaminany ka hatramin'ny mpisorona, samy mpamitaka avokoa.

11 Ataotaony foana ny fitsaboana ny ferin'ny zanakavavin'ny vahoakako, lazainy hoe: Fiadanana! Fiadanana! Nefa tsy misy fiadanana tsinona.

12 Homenarina izy, fa nanao fahavetavetana, nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! koa dia hiara-davo amin'izay lavo izy ireo; ary hiretaka amin'ny andro hamangiako azy izy, hoy Iaveh.

13 Indro horaofiko izy ireo, dia hongoahako, - teny marin'ny Tompo. Ny voaloboka tsy misy voam-boaloboka intsony; ny aviavy tsy misy voan'aviavy intsony, ary ny raviny aza malazo! Ary izy ireo, nanendreko olona hanafika ny taniny.

14 Nahoana isika no mitomoe-poana? Mivoria hianareo, andeha isika ho ao an-tànana mimanda, dia aoka ho faty ao; satria Iaveh Andriamanitsika mandevona antsika, sy mampisotro antsika rano misy poizina, noho ny nanotantsika tamin'ny Tompo!...

15 Nanantena fiadanana isika, nefa tsy mahita soa kely akory, sy andro fanaretana, kanjo fampitahorana no mitranga!

16 Re hatrany Dana ny fiefonefon'ny soavaliny. Raha mahare ny fanenon'ny soavaliny dia mihorohoro avokoa ny tany. Tonga izy, dia levoniny ny tany mbamin'izay ao aminy, ny tanàna mbamin'ny mponina ao aminy.

17 Fa indro alefako hamely anareo ny bibilava sy ny aspika, izay tsy leon'ny ody fankatoavana; dia hanaikitra anareo ireny, - teny marin'ny Tompo.

18 Indrisy, ry fampiononana ahy amin'ny fahoriako ô! Reraka ny foko ato anatiko!

19 Injany tonga amiko avy any an-tany lavitra, ny fitarainan'ny zanakavavin'ny oloko manao hoe: Tsy ao Siona intsony va Iaveh? Tsy ao afovoany intsony va ny mpanjakany? Nahoana izy ireo no nampahatezitra ahy tamin'ny sampiny, sy tamin'ny zava-poana avy any amin'ny firenen-kafa?

20 Lasa ny fararano, tapitra ny fampakaram-bokatra nefa isika ity tsy mbola voavonjy!

21 Mangana aho amin'ny hamanganan'ny zanakavavin'ny oloko; misaona aho ary raiki-tahotra aho.

22 Tsy misy baoma intsony any Galaada, tsy misy dokotera intsony va any? Sa nahaoana no tsy nasiana bandy ny zanakavavin'ny oloko?

23 Iza no hanova ny lohako ho rano, sy ny masoko ho loharanon-dranomaso, mba hitomaniako andro aman'alina, ireo maty tamin'ny zanakavavin'ny oloko?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0389