Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-2

1 Anaka, nanoratra izany aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin'ny Ray isika, dia Jesoa-Kristy, ilay marina.

2 Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an'izao tontolo izao koa. 3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala azy isika, dia raha mitandrina ny didiny isika.

4 Izay milaza ho mahalala azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina. 5 Fa izay mitandrina ny didiny no manana ny fitiavana an'Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa ; ary amin'izany no ahafantarana fa ao aminy isika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0697