Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-3

1 Endrey ity haben'ny fitiavan'Andriamanitra antsika, amin'ny iantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady tena izany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala azy.

2 Ry malala, zanak'Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin'ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka azy isika, satria hahita azy araka ny tena toetrany. 21 Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an'Andriamanitra amin-toky isika. 22 Ary na inona na inona angatahantsika dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika. 23 Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an'i Jesoa-Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika. 24 Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1073