Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-3

18 Anaka, aza tia am-bava sy amin'ny teny fotsiny, fa amin'ny asa sy amin'ny fo tokoa. 19 Izany no hahafantarantsika fa avy amin'ny marina isika, sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika eo anatrehan'Andriamanitra. 20 Fa raha ny fontsika aza manameloka antsika, mainka fa Andriamanitra, izay lehibe noho ny fontsika, sady mahalala ny zavatra rehetra. 21 Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an'Andriamanitra amin-toky isika. 22 Ary na inona na inona angatahantsika dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika. 23 Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an'i Jesoa-Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika. 24 Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0869