Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-4

7 Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin'Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin'Andriamanitra, sy mahalala an'Andriamanitra.

8 Izay tsy tia dia tsy mahalala an'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. 9 Ary nampiseho ny fitiavany antsika izy, tamin'ny nanirahany ny Zanany lahitokana ho amin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. 10 Ary toy izany fitiavana izany: tsy isika no tia an'Andriamanitra rahateo, fa izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin'ny fahotantsika. 11 Ry malala, raha toy izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia tokony mba hifankatia koa isika. 12 Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana azy.

13 Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary izy ao amintsika. 14 Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho mpamonjy an'izao tontolo izao ny Ray. 15 Na iza na iza hanaiky an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin'Andriamanitra. 16 Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra amin'ny fitiavana dia mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0675