Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-3

1 Endrey ity haben'ny fitiavan'Andriamanitra antsika, amin'ny iantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady tena izany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala azy.

2 Ry malala, zanak'Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin'ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka azy isika, satria hahita azy araka ny tena toetrany. 3 Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany, mba ho madio tahaka azy.

4 Izay rehetra manota dia mandika ny lalàna, satria ny ota dia fandikana ny lalàna. 5 Fantatrareo anefa fa izy no niseho dia mba hanala ny fahotana; ary tsy mba misy ota ao aminy. 6 Izay rehetra mitoetra ao aminy, dia tsy mba manota; ary izay manota dia tsy mba nahita azy na nahalala azy. 7 Anaka, aza mety hofitahin'olona hianareo, fa izay manao ny marina ihany no marina toa azy marina koa.

8 Izay manota dia avy amin'ny demony, fa mpanota hatrany am-boalohany ny demony. Ary ny handrava ny asan'ny demony no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra. 9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin'Andriamanitra, sady naterak'Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota. 10 Amin'izany no ahafantarana izay zanak'Andriamanitra sy izay zanaky ny demony. Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin'Andriamanitra, toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny. 11 Satria araka ny teny azo sy renareo hatramin'ny voalohany dia tsy maintsy mifankatia isika, 12 fa tsy mba hanahaka an'i Kaina izay avy amin'ilay ratsy ka namono nahafaty ny rahalahiny. Ary ahoana moa no namonoany azy? - Dia satria ratsy ny asany, fa ny an'ny rahalahiny kosa dia marina. 13 Aza gaga, ry rahalahy, raha halan'izao tontolo izao hianareo.

14 Isika dia mahalala fa niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana, satria tia rahalahy. Izay tsy tia kosa mitoetra ao amin'ny fahafatesana. 15 Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona, ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. 16 Izao no nahafantarantsika ny fitiavana: nahafoy ny ainy ho antsika izy. Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an'ny rahalahy koa isika.

17 Raha misy manan-karena amin'izao fiainana izao, ka mahita ny rahalahiny mahantra, nefa mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny? 18 Anaka, aza tia am-bava sy amin'ny teny fotsiny, fa amin'ny asa sy amin'ny fo tokoa. 19 Izany no hahafantarantsika fa avy amin'ny marina isika, sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika eo anatrehan'Andriamanitra. 20 Fa raha ny fontsika aza manameloka antsika, mainka fa Andriamanitra, izay lehibe noho ny fontsika, sady mahalala ny zavatra rehetra. 21 Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an'Andriamanitra amin-toky isika. 22 Ary na inona na inona angatahantsika dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika. 23 Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an'i Jesoa-Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika. 24 Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.198