Epistola Voalohan'i Md. Joany

Joany I toko 3. 1-3
Ny zanak'Andriamanitra sy ny zanaky ny demony - Ny fitiavana ny rahalahy - Ny fanatonana an'Andriamanitra amin-toky.

       1 Endrey ity haben'ny fitiavan'Andriamanitra antsika, amin'ny iantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady tena izany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala azy. 2 Ry malala, zanak'Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin'ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka azy isika, satria hahita azy araka ny tena toetrany.
       3 Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany, mba ho madio tahaka azy.