Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-4

7 Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin'Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin'Andriamanitra, sy mahalala an'Andriamanitra.

8 Izay tsy tia dia tsy mahalala an'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. 9 Ary nampiseho ny fitiavany antsika izy, tamin'ny nanirahany ny Zanany lahitokana ho amin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. 10 Ary toy izany fitiavana izany: tsy isika no tia an'Andriamanitra rahateo, fa izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin'ny fahotantsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0814