Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Toko voalohany
19 Ary izao no nambaran'i Joany raha naniraka mpisorona sy levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe: Iza moa hianao?20 Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe: Tsy Kristy aho. 21 Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: Iza àry? Elia va hianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va hianao? Fa hoy ny navaliny: Tsia. 22 Ka hoy izy ireo taminy: Iza àry hianao, mba hitondranay valy amin'izay naniraka anay? Ataonao ho iza ny tenanao? 23 Dia hoy izy: Izaho no feon'ny miantso any an'efitra hoe: Ahitsio ny làlan'ny Tompo, araka izay voalazan'Izaia mpaminany. 24 Ary Farisiana ireo iraka ireo. 25 Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana àry hianao no manao batemy raha tsy Kristy, na Elia, na ilay Mpaminany? 26 Ka novalian'i Joany hoe: Izaho manao batemy amin'ny rano; fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo, 27 dia ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany aza aho. 28 Tany Betania an-dafin'i Jordany, izay nanaovan'i Joany batemy, no natao izany zavatra izany.
