Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko voalohany

1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny.

2 Tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany izy. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. 4 Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan'ny olona. 5 Ary mamirapiratra amin'ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina. 6 Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra, Joany no anarany;

7 tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan'ny olon-drehetra noho ny teniny. 8 Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy. 9 Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao. 10 Teo amin'izao tontolo izao izy, ary izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao. 11 Tonga tao amin'ny olony izy, fa ny olony tsy nandray azy. 12 Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, 13 ka tsy mba nateraky ny rà, na ny sitra-pon'ny nofo, na ny sitra-pon'ny olona ireo, fa naterak'Andriamanitra. 14 Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka lahitokana avy amin'ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana izy. 15 Nanambara azy Joany, ka niantso nanao hoe: izy ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako izy.

16 Ary avy amin'ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana, 17 satria ny Lalàna moa nomena tamin'ny alàlan'i Moizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin'ny alàlan'i Jesoa-Kristy. 18 Tsy dia nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka tokana izay ao anatin'ny Ray ihany no hany nanambara azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1202