Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko voalohany

29 Nony ampitso, nahita an'i Jesoa nanatona azy Joany ka hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra; indro ilay manala ny fahotan'ny olona.

30 Izy no ilay nantsoiko hoe: Misy lehilahy avy ao aoriako, sy efa tonga eo alohako, satria talohako izy. 31 Ary izaho tsy nahalala azy; fa mba hampisehoana azy amin'Israely no nahatongavako manao batemy amin'ny rano. 32 Ary nilaza marina Joany nanao hoe: Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromailala, ka nitoetra teo amboniny. 33 Ary izaho tsy nahalala azy, fa izay naniraka ahy hanao batemy amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay hitanao hidinan'ny Fanahy Masina sy hitoerany eo amboniny no ilay manao batemy amin'ny Fanahy Masina. 34 Ary nahita aho ka milaza marina fa izy no Zanak'Andriamanitra. 35 Nony ampitson'izay indray, dia mbola teo koa Joany sy ny mpianany roa lahy;

36 ka hoy izy nahatazana an'i Jesoa nandalo: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra. 37 Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an'i Jesoa. 38 Ary nitodika Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka azy, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy ireo taminy: Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza hianao no mitoetra? 39 Dia hoy izy taminy: Avia fa ho hitanareo. Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin'iny andro iny; ary tokony ho tamin'ny ora fahafolo tamin'izay. 40 Andre rahalahin'i Simona Piera no anankiray tamin'izy roa lahy izay nandre ny tenin'i Joany ka nanaraka an'i Jesoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0652