Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 1. 35-42

       35 Nony ampitson'izay indray, dia mbola teo koa Joany sy ny mpianany roa lahy; 36 ka hoy izy nahatazana an'i Jeso nandalo: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra. 37 Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an'i Jeso. 38 Ary nitodika Jeso ka nahita azy ireo nanaraka azy, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy ireo taminy: Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza hianao no mitoetra? 39 Dia hoy izy taminy: Avia fa ho hitanareo. Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin'iny andro iny; ary tokony ho tamin'ny ora fahafolo tamin'izay.
       40 Andre rahalahin'i Simona Piera no anankiray tamin'izy roa lahy izay nandre ny tenin'i Joany ka nanaraka an'i Jeso. 41 Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa dia Simona rahalahiny ka nilazany hoe: Efa hitanay ny Mesia (izany hoe ny Kristy, raha adika). 42 Dia nentiny nankany amin'i Jeso izy, ka nony nijery azy Jeso dia nanao hoe: Hianao no Simona zanak'i Joany; hatao hoe Sefasy hianao, izany hoe, Piera.