Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-10

22 Tamin'izay tonga ny fetin'ny Fitokanana tany Jerosalema, sady ririnina ny andro,

23 ary Jesoa nitsangantsangana tao an-tempoly tao amin'ny lavarangan'i Salomona. 24 Dia nitangoronan'ny Jody izy ka nilazany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha hianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay. 25 Dia hoy Jesoa namaly azy: Efa nilaza taminareo aho, fa tsy mino hianareo; manambara ahy koa ny asa ataoko amin'ny anaran'ny Raiko; 26 fa tsy mino hianareo satria tsy mba isan'ny ondriko. 27 Ny ondriko mihaino ny feoko, izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy; 28 omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tànako. 29 Izay nomen'ny Raiko ahy dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka eo an-tànan'ny Ray. 30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0971