Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-10

7 Ka hoy indray Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran'ny ondry. 8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. 9 Izaho no varavarana. Raha izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina. 10 Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa izaho no avy kosa dia mba hananan'ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0867