Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-10

1 Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika amin'ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy;

2 fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ondry. 3 Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin'ny anarany avy sy mamoaka azy. 4 Rahefa tafavoakany avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony: 5 ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony. 6 Nolazain'i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon'izy ireo izay nolazainy tamin'izany. 7 Ka hoy indray Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran'ny ondry. 8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. 9 Izaho no varavarana. Raha izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina. 10 Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa izaho no avy kosa dia mba hananan'ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1696