Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-10

11 Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an'ny ondriny;

12 fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon'ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy, 13 satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry. 14 Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny ahy aho no fantatry ny ahy, 15 tahaka ny ahalalan'ny Ray ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary izaho koa mahafoy ny aiko ho an'ny ondriko. 16 Mbola manana ondry hafa koa aho izay tsy amin'ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga valan'ondry tokana sy mpiandry ondry tokana. 17 Izao no itiavan'ny Ray ahy: satria mahafoy ny aiko aho, mba handraisako azy indray. 18 Tsy misy maka azy amiko, fa ny tenako ihany no mahafoy azy; manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin'ny Raiko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.122