Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-10

31 Dia naka vato hitorahana azy indray ny Jody;

32 fa hoy Jesoa tamin'izy ireo: Be ny asa soa nasehoko teo taminareo, avy tamin'ny Ray, ka iza amin'ireny asa ireny no itorahanareo ahy? 33 Dia hoy ny Jody namaly azy: Tsy ny asa soa no itorahanay anao, fa ny teninao miteny ratsy an'Andriamanitra; satria olombelona fotsiny hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. 34 Ary Jesoa namaly azy hoe: Moa tsy izao no voasoratra ao amin'ny Lalànareo: Hoy Izaho: Andriamanitra hianareo? 35 Ka raha ireny nanambarana ny tenin'Andriamanitra ireny aza antsoin'ny lalàna hoe Andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina, 36 ahoana no ilazanareo an'ilay nohamasin'ny Ray sy nirahiny ety ambonin'ny tany hoe: miteny ratsy an'Andriamanitra hianao satria nilaza hoe: Zanak' Andriamanitra aho? 37 Raha tsy manao ny asan'ny Raiko aho, dia aza mino ahy hianareo; 38 fa raha manao ihany kosa aho, na dia tsy te-hino ahy aza hianareo, dia minoa ny asako, dia ho fantatrareo fa ny Ray eto amiko, ary izaho ao amin'ny Ray. 39 Tamin'izay dia nitady hisambotra azy indray izy ireo, fa niala teo an-tànany izy. 40 Dia lasa izy nankany an-dafin'i Jordany, amin'ilay tany nanaovan'i Joany batemy voalohany, ka nitoetra tany.

41 Ary maro no nanatona azy, fa nanao hoe: Tsy nanao fahagagana Joany; 42 nefa marina avokoa ny teny rehetra nilazan'i Joany azy. Koa maro no nino azy teo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783