Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-12

24 Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin'ny tany, 25 dia mitoetra foana izy: fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin'ny fiainana mandrakizay. 26 Raha misy manompo ahy, dia aoka izy hanaraka ahy, ary izay itoerako no hitoeran'ny mpanompoko koa. Raha misy manompo ahy, dia homen'ny Raiko voninahitra izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1353