Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-12

44 Ary niantso Jesoa nanao hoe: Izay mino ahy, dia tsy izaho no inoany, fa izay naniraka ahy; 45 ary izay mahita ahy, dia mahita izay naniraka ahy. 46 Tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana aho, mba tsy hitoetra ao anatin'ny maizina izay rehetra mino ahy. 47 Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy, dia tsy mitsara azy aho; satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako fa hamonjy azy. 48 Izay manamavo ahy ka tsy mandray ny teniko, misy izay hitsara azy: dia ny teny voalazako no hitsara azy amin'ny farandro, 49 satria tsy niteny ho ahy aho, fa ny Ray izay naniraka ahy no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko. 50 Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay. Koa ny zavatra lazaiko àry, dia lazaiko araka ny voalazan'ny Ray tamiko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139