Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-12

12 Nony ampitso, dia ren'ny vahoaka be izay tonga hanao ny fety fa ho avy ao Jerosalema Jesoa,

13 ka naka sampan-drofia izy, dia nitsena azy sy niantso hoe: Hosana, hohasoavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo, sy Mpanjakan'Israely. 14 Ary Jesoa nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: 15 Aza matahotra, ry zanakavavin'i Siona; indro avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky. 16 Tamin'izay dia tsy mbola fatatry ny mpianany ny hevitr'izany, fa nony efa voasandratra tamin'ny voninahiny Jesoa vao tsaroany fa sady voasoratra ny aminy izany no nataon'izy ireo taminy koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1131