Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-12

1 Nony henemana sisa tsy hahatongavan'ny Paka, dia tonga tany Betania Jesoa tany amin'izay nitoeran'i Lazara, ilay natsangan'i Jesoa tamin'ny maty.

2 Nanaovan'ny tao nahandro izy, ka Marta nampihinana, Lazara isan'izay niara-nihinana taminy. 3 Ary Maria kosa naka diloilo manitra saro-bidy lanjana iray livatra natao tamin'ny salohin'ny narda, dia nanosotra ny tongotr'i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany, ka nandraraka eran'ny trano ny hanitry ny diloilo. 4 Tamin'izay hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika azy hoe: 5 Tsy naleo re namidy denie telon-jato iny diloilo manitra iny ka nomena ny mahantra? 6 Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an'izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny. 7 Ka hoy Jesoa taminy: Avelao izy hanao, fa nitahiry izany ho amin'ny andro handevenana ahy. 8 Fa ny mahantra dia hisy mandrakariva eto aminareo, ary izaho kosa tsy mba ho eto aminareo lalandava. 9 Maro tamin'ny Jody no nahare hoe tao Betania Jesoa, ka tonga tao, tsy noho Jesoa ihany, fa mba hahita an'i Lazara ilay natsangany tamin'ny maty koa.

10 Fa Lazara koa dia efa notetehin'ny lehiben'ny mpisorona hovonoina, 11 satria noho izy, dia maro ny olona niala tamin'ny Jody ka nino an'i Jesoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2261