Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 12, 44-50,
<44Ary niantso Jesoa nanao hoe: Izay mino ahy, dia tsy izaho no inoany, fa izay naniraka ahy; 45ary izay mahita ahy, dia mahita izay naniraka ahy. 46Tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana aho, mba tsy hitoetra ao anatin'ny maizina izay rehetra mino ahy. 47Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy, dia tsy mitsara azy aho; satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako fa hamonjy azy. 48Izay manamavo ahy ka tsy mandray ny teniko, misy izay hitsara azy: dia ny teny voalazako no hitsara azy amin'ny farandro, 49satria tsy niteny ho ahy aho, fa ny Ray izay naniraka ahy no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko. 50Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay. Koa ny zavatra lazaiko àry, dia lazaiko araka ny voalazan'ny Ray tamiko. >