Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-13

1 Talohan'ny fetin'ny Paka, fantatr'i Jesoa fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ka rahefa notiaviny tokoa ny azy izay amin'izao tontolo izao, dia fara fitiavana no nataony taminy.

2 Ary raha mbola teo amin'ny fisakafoana hariva, Jodasy Iskariota zanak'i Simona moa efa nomen'ny demony hevitra hamadika azy, 3 Jesoa kosa nahalala fa efa napetraky ny Ray eo an-tànany ny zavatra rehetra, ary Andriamanitra no nihaviany sady Andriamanitra koa no iverenany, 4 dia nitsangana teo am-pihinanana izy: napetrany ny lambany, nalainy ny lamba famaohana ka nisikinany; 5 rahefa izany, nampidina rano tamin'ny tavy izy, dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra, sy namaoka azy tamin'ny lamba nisikinany. 6 Ary nanatona an'i Simona Piera izy; fa hoy Piera taminy: Adre! Hianao ve, Tompoko, no hanasa ny tongotro? 7 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Tsy fantatrao izao izay ataoko, fa ho fantatrao aoriana. 8 Fa hoy Piera taminy: Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana hianao. Ka hoy Jesoa namaly azy: Raha tsy hosasako hianao, dia tsy hanana anjara amiko, 9 Dia hoy Simona Piera taminy: Tsy ny tongotro ihany àry, Tompoko, fa ny tànako sy ny lohako koa. 10 Fa hoy Jesoa taminy: Izay efa nandro, tsy mila hosasana afa-tsy ny tongotra, fa efa madio avokoa ny tenany manontolo. Ary hianareo koa dia madio, nefa tsy hianareo rehetra. 11 Izy no nanao hoe: Tsy hianareo rehetra no madio, dia satria fantany ilay hamadika azy. 12 Nony efa voasasany ny tongotr'izy ireo, dia nandray ny lamba izy, ka nipetraka indray, ary nanao taminy hoe: Moa fantatrareo va izay nataoko taminareo?

13 Hianareo manao ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo; fa izany tokoa aho. 14 Ka raha izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, hianareo samy hianareo koa dia tsy maintsy hifanasa tongotra; 15 satria nomeko fianarana hianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1816