Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-13

21 Rahefa nilaza izany Jesoa, dia nangorohoro ny fony, ka nanambara mazava izy nanao hoe: Lazaiko marina dia marina aminareo fa hamadika ahy ny anankiray aminareo.

22 Dia nifampijery ny mpianatra, fa tsy nahalala izay iray nolazainy. 23 Ary ny anankiray tamin'izy ireo, ilay tian'i Jesoa, no teo anilany niankina tamin'ny tratrany, 24 ka nanatsika azy Piera nanao taminy hoe: Iza ilay lazainy izay? 25 Dia naraikany tamin'ny tratran'i Jesoa ny lohany, ka hoy izy taminy: Iza moa izany, Tompoko? 26 Ary hoy Jesoa hoe: Izay hotolorako sombi-mofo natsoboka tamin'ny rò no izy. Dia natsobony ny mofo ka natolony an'i Jodasy Iskariota zanak'i Simona. 27 Vantany vao nihinana ilay sombi-mofo Jodasy dia nidiran'ny demony, ka hoy Jesoa taminy: Ataovy haingana izay ataonao. 28 Tsy nisy nahalala izay anton'ny nilazany izany taminy anefa ry zareo izay nipetraka nihinana; 29 fa noho Jodasy nitahiry ny kitapom-bola, dia nataon'ny sasany fa izao no nolazain'i Jesoa taminy: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny fety, na mba omeo zavatra ny mahantra. 30 Vao nandray ilay sombi-mofo Jodasy dia nivoaka niaraka tamin'izay. Efa alina ny andro tamin'izany. 31 Nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesoa: Nomem-boninahitra izao ny Zanak'olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy.

32 Ary raha Andriamanitra no omem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra azy eo amin'ny tenany sy hanome voninahitra azy faingana. 33 Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Hitady ahy hianareo, ary toy ny voalazako tamin'ny Jody hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha no lazaiko aminareo koa ankehitriny. 36 Hoy Simona Piera taminy: Ho aiza hianao, Tompoko? Dia hoy Jesoa: Ankehitriny tsy azonao aleha izay alehako, fa any aoriana mbola hanaraka ahy hianao. 37 Ahy hoy Piera taminy: Ahoana, Tompoko, no tsy ahazoako manaraka anao ankehitriny? Hafoiko ho anao hatramin'ny aiko aza. 38 Fa hoy Jesoa: Hafoinao ho ahy ny ainao? Lazaiko marina dia marina aminao: Alohan'ny maneno akoho, dia handà ahy intelo hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1097