Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-13

31 Nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesoa: Nomem-boninahitra izao ny Zanak'olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy.

32 Ary raha Andriamanitra no omem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra azy eo amin'ny tenany sy hanome voninahitra azy faingana. 33 Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Hitady ahy hianareo, ary toy ny voalazako tamin'ny Jody hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha no lazaiko aminareo koa ankehitriny. 34 Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. 35 Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1258