Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-14

1 Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an'Andriamanitra hianareo, ka minoa ahy koa.

2 Misy fitoerana maro ao an-tranon'ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo aho; fa handeha aho hanamboatra fitoerana ho anareo, 3 ary rahefa lasa aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. 4 Ary fantatrareo koa ny làlana ho any amin'izay alehako. 5 Dia hoy Tomà taminy: Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no ahafantaranay ny làlana? 6 Ary hoy Jesoa taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0601