Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-14

27 Fiadanana no avelako aminareo, fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. 28 Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha aho, nefa mbola hiverina ho atĂ˝ aminareo. Raha tia ahy hianareo, dia ho faly tokoa amin'izao handehanako ho any amin'ny Ray izao, satria lehibe noho izaho ny Ray. 29 Ary izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rahefa tonga izany. 30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony aho, fa avy ny mpanapaka izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy, 31 fa mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany ahy no ataoko. MitsangĂ na, andeha isika hiala eto.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0935