Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-14

15 Raha tia ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko. 16 Ary izaho kosa hangataka amin'ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa hianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay, 17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, izay tsy azon'izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa hianareo no hahafantatra azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo izy. 18 Tsy havelako ho kamboty hianareo, fa hankaty aminareo aho.

19 Raha afaka kelikely, dia tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo no hahita ahy, satria velona aho, ary ho velona koa hianareo. 20 Amin'izany andro izany, dia ho fantatrareo fa izaho ao amin'ny Raiko, hianareo ato amiko, ary ho velona koa hianareo. 21 Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia ahy; ary izay tia ahy, dia hotian'ny Raiko, sy hotiako koa, ka haneho ny tenako aminy aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1397