Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 14, 1-6,
Jesoa dia làlana sy fahamarinana ary fiainana - Izy sy ny Ray dia iray ihany - Hohenoiny ny fangatahan'ny mpianany - Homeny ny Fanahy Masina.

       1Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an'Andriamanitra hianareo, ka minoa ahy koa. 2Misy fitoerana maro ao an-tranon'ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo aho; fa handeha aho hanamboatra fitoerana ho anareo, 3ary rahefa lasa aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. 4Ary fantatrareo koa ny làlana ho any amin'izay alehako. 5Dia hoy Tomà taminy: Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no ahafantaranay ny làlana? 6Ary hoy Jesoa taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako. >