Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-14

15 Raha tia ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko. 16 Ary izaho kosa hangataka amin'ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa hianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay, 23 Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Raha misy tia ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka hotian'ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. 24 Fa izay tsy tia ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy ahy, fa an'ny Ray izay naniraka ahy. 25 Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo aho.

26 Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1144