Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-14

21 Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia ahy; ary izay tia ahy, dia hotian'ny Raiko, sy hotiako koa, ka haneho ny tenako aminy aho. 22 Ary Jodasy, tsy ilay Iskariota, nanao taminy hoe: Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny tenanao aminay ihany, fa tsy amin'izao tontolo izao koa? 23 Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Raha misy tia ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka hotian'ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. 24 Fa izay tsy tia ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy ahy, fa an'ny Ray izay naniraka ahy. 25 Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo aho.

26 Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0822