Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-14

23 Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Raha misy tia ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka hotian'ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. 24 Fa izay tsy tia ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy ahy, fa an'ny Ray izay naniraka ahy. 25 Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo aho.

26 Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. 27 Fiadanana no avelako aminareo, fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. 28 Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha aho, nefa mbola hiverina ho atý aminareo. Raha tia ahy hianareo, dia ho faly tokoa amin'izao handehanako ho any amin'ny Ray izao, satria lehibe noho izaho ny Ray. 29 Ary izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rahefa tonga izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1278