Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-14

6 Ary hoy Jesoa taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako. 7 Raha nahafantatra ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin'izao, dia mahafantatra azy hianareo, sady efa nahita azy.

8 Dia hoy Filipo taminy: Asehoy anay ny Ray, Tompoko, dia ampy ho anay izany. 9 Fa hoy Jesoa taminy: Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve aho, ry Filipo? Izay nahita ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray? 10 Tsy mino va hianao fa izaho no amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. 11 Minoa ny teniko fa izaho ao amin'ny Ray ary ny Ray ato amiko; 12 na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin'ny Ray aho, 13 ka izay rehetra angatahinareo amin'ny Ray amin'ny anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan'ny Ray voninahitra eo amin'ny Zanaka. 14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hianareo, dia hotanterahiko izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1581