Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 14, 7-14,

       <7Raha nahafantatra ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin'izao, dia mahafantatra azy hianareo, sady efa nahita azy. 8Dia hoy Filipo taminy: Asehoy anay ny Ray, Tompoko, dia ampy ho anay izany. 9Fa hoy Jesoa taminy: Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve aho, ry Filipo? Izay nahita ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray? 10Tsy mino va hianao fa izaho no amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. 11Minoa ny teniko fa izaho ao amin'ny Ray ary ny Ray ato amiko; 12na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin'ny Ray aho, 13ka izay rehetra angatahinareo amin'ny Ray amin'ny anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan'ny Ray voninahitra eo amin'ny Zanaka. 14Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hianareo, dia hotanterahiko izany. >