Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-15

12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.

13 Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany. 14 Hianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. 15 Tsy ataoko hoe mpanompo intsony hianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin'ny Raiko. 16 Tsy hianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan'ny vokatrareo, sy hanomezan'ny Raiko anareo izay rehetra angatahinareo amin'ny anarako. 17 Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1256