Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-15

1 Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.

2 Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa. 3 Efa madio hianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo. 4 Mitomoera ao amiko, ary izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin'ny foto-boaloboka tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa hianareo raha tsy mitoetra ao amiko. 5 Izaho no foto-boaloboka, ary hianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona hianareo. 6 Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may. 7 Raha mitoetra ao amiko hianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo hianareo, ka hatao aminareo izany. 8 Ho voninahitra ho an'ny Raiko raha mamoa be hianareo sy tonga mpianatro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1092