Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-16

1 Izaho no nilaza izany taminareo dia ny mba tsy hahatafintohina anareo.

2 Fa horoahiny amin'ny sinagoga hianareo, ary ho avy aza ny andro hiheveran'izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an'Andriamanitra. 3 Izy no hanao izany aminareo, dia satria tsy misy fantany na ny Ray na izaho. 4 Ary izaho no nilaza izany taminareo kosa, dia mba hahatsiarovanareo, rahefa tonga ny fotoana fa efa voalazako taminareo izany. 5 Tsy mbola nolazaiko taminareo izany tamin'ny voalohany, satria mbola teto aminareo aho; fa ankehitriny handeha ho any amin'ilay naniraka ahy aho, ka tsy misy aminareo manontany hoe: Ho aiza hianao? 6 Fa noho izaho nilaza izany taminareo, dia feno alahelo ny fonareo. 7 Milaza ny marina aminareo anefa aho fa mahasoa anareo ny handehanako; satria raha tsy mandeha aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo; fa raha mandeha aho, dia haniraka azy ho atý aminareo. 8 Ary rahefa tonga izy, dia handresy lahatra an'izao tontolo izao ny amin'ny fahotana, sy ny amin'ny fahamarinana, ary ny amin'ny fitsarana: 9 ny amin'ny fahotana, satria tsy mino ahy izy ireo; 10 ny amin'ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray aho, ka tsy ho hitanareo intsony; 11 ary ny amin'ny fitsarana, satria voatsara sahady ny mpanapaka izao tontolo izao. 12 Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny;

13 fa rahefa tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia izy no hitaridàlana anareo amin'ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho azy izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. 14 Hanome voninahitra ahy izy, satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo. 15 Ahy izay rehetra ananan'ny Raiko, ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko izy ka hanambara izany aminareo. 16 Rahefa afaka kelikely, dia tsy hahita ahy intsony hianareo; ary rahefa afaka kelikely indray, dia hahita ahy hianareo, satria mankany amin'ny Ray aho. 17 Tamin'izay ny mpianany sasany dia nifampilaza hoe: Ahoana no ilazany amintsika hoe: Rahefa afaka kelikely, dia tsy hahita ahy intsony hianareo; ary rahefa afaka kelikely indray, dia hahita ahy hianareo, satria mankany amin'ny Ray aho? 18 Dia hoy izy ireo: Inona izany lazainy hoe: Rahefa afaka kelikely? Tsy fantatsika izay lazainy. 19 Ary fantatr'i Jesoa fa ta-hanontany azy izy ireo, ka hoy izy taminy: Hianareo mifanontany ny amin'ny teniko hoe: Rahefa afaka kelikely, dia tsy hahita ahy intsony hianareo; ary rahefa afaka kelikely indray, dia hahita ahy hianareo. 20 lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo hianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo hianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. 21 Ory ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; nefa tsy tsaroany intsony izay fahoriany rahefa teraka izy, noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin'izao tontolo izao. 22 Manana alahelo koa hianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray hianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo. 23 Amin'izany andro izany dia tsy hanontany ahy na inona na inona intsony hianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray, dia homeny anareo amin'ny anarako. 24 Mandraka ankehitriny dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin'ny anarako hianareo; mangataha àry, dia hahazo hianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo. 25 Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako aminareo miharihary ny amin'ny ray.

26 Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako hianareo, ary izaho tsy milaza aminareo fa hangataka ho anareo amin'ny Ray aho, 27 satria ny Ray tia anareo koa noho ny nitiavanareo ahy sy ninoanareo fa avy amin'Andriamanitra aho. 28 Avy amin'ny Ray no tonga amin'izao tontolo izao aho; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin'ny Ray aho. 29 Dia hoy ny mpianany taminy: Indro milaza tsotra hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory. 30 Fantatray amin'izao fa mahalala ny zavatra rehetra hianao, ka tsy mila hanontanian'olona: izany no inoanay fa avy amin'Andriamanitra hianao. 31 Jesoa namaly azy hoe: Mino ange hianareo ankehitriny? 32 Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin'izay halehany avy, sy handaozanareo ahy ho irery; nefa tsy irery aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray. 33 Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana hianareo eto amin'izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an'izao tontolo izao aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2578