Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-16

20 lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo hianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo hianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. 21 Ory ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; nefa tsy tsaroany intsony izay fahoriany rahefa teraka izy, noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin'izao tontolo izao. 22 Manana alahelo koa hianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray hianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo. 23 Amin'izany andro izany dia tsy hanontany ahy na inona na inona intsony hianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray, dia homeny anareo amin'ny anarako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031