Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-16

12 Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny;

13 fa rahefa tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia izy no hitaridàlana anareo amin'ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho azy izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. 14 Hanome voninahitra ahy izy, satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo. 15 Ahy izay rehetra ananan'ny Raiko, ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko izy ka hanambara izany aminareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0543