Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-16

23 Amin'izany andro izany dia tsy hanontany ahy na inona na inona intsony hianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray, dia homeny anareo amin'ny anarako. 24 Mandraka ankehitriny dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin'ny anarako hianareo; mangataha àry, dia hahazo hianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo. 25 Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako aminareo miharihary ny amin'ny ray.

26 Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako hianareo, ary izaho tsy milaza aminareo fa hangataka ho anareo amin'ny Ray aho, 27 satria ny Ray tia anareo koa noho ny nitiavanareo ahy sy ninoanareo fa avy amin'Andriamanitra aho. 28 Avy amin'ny Ray no tonga amin'izao tontolo izao aho; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin'ny Ray aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1166