Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-16

29 Dia hoy ny mpianany taminy: Indro milaza tsotra hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory. 30 Fantatray amin'izao fa mahalala ny zavatra rehetra hianao, ka tsy mila hanontanian'olona: izany no inoanay fa avy amin'Andriamanitra hianao. 31 Jesoa namaly azy hoe: Mino ange hianareo ankehitriny? 32 Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin'izay halehany avy, sy handaozanareo ahy ho irery; nefa tsy irery aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray. 33 Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana hianareo eto amin'izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an'izao tontolo izao aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1137